1 results found for: “Trump_covid-19”.

Request time (Page generated in 0.2098 seconds.)

Tantaran' i Etazonia

valanaretina Covid-19, izay isan' ny fahasahiranana ara-pahasalamana lehibe indrindra teo amin' ny tantaran' ilay firenena i Donald Trump, dia valanaretina...

Last Update: 2023-11-06T07:33:49Z Word Count : 9351

View Rich Text Page View Plain Text Page

Main result

Tantaran' i Etazonia

Rehefa tonga tao Jamestown (tanàna ao Virginia) ny voanjo anglisy voalohany tamin' ny taona 1607, dia vitsy mponina ny Kôntinenta Amerikana nandritra ny an' arivony taona maro, ary tsy nisy mponina afa-tsy ny Amerindiana. Ny faritra misy an’ i Etazonia ankehitriny dia nozanahin' ny firenena eorôpeana isan-karazany nanomboka tamin' ny taonjato faha-17 (i Espaina, ny Fanjakana Mitambatra, i Frantsa (Frantsa Vaovao). Te hanafaka ny tenany tamin' i Britaina Lehibe sy hanangana fanjakana an' ny tenany manokana ny mponin' ny zanatany telo ambin' ny folo ka nanambara ny fahaleovantenany tamin' ny taona 1776. Taorian' ny ady ho an' ny fahaleovantena izay nahomby, dia namorona firenena vaovao izy ireo izay nantsoiny hoe "Etazonian' i Amerika" (anglisy: United States of America), nampitambatra ny fanjakana telo ambin' ny folo, dia i New Hampshire, i Massachusetts, i Connecticut, i Rhode Island, i New York, i New Jersey, i Pennsylvania, i Delaware, i Maryland, i Virginia, i North Carolina, i South Carolina ary i Georgia. Taorian' izay, nitombo ny tanim-pirenen' i Etazonia tamin' ny fampidirana fanjakana vaovao (ohatra, ny fividianana an' i Louisiana, ny ady nifanaovan' ny Meksikana sy ny Amerikana, ny fividianana an' i Alaska, sns) hizay nitohy atramin' ny taonjato faha-20. Na dia nandalo ady an-trano tany am-piandohan' ny taompolo 1860 aza i Etazonia dia nandroso haingana noho ny fidiran' ny mpifindra monina eorôpeana tamin' ny taonjato faha-19. Tamin' ny faran' ny Ady Lehibe Voalohany dia i Etazonia no lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany, nihoatra ny firenena lehibe indrindra tany Eorôpa. Tsy niala tamin' io laharana io izy taorian' izay, ka lasa mpitarika ny "tontolo malalaka" taorian' ny Ady Lehibe Faharoa. Na izany aza, ny fahareseny tamin' ny fiafaran' ny ady tany Vietnamy tamin' ny taona 1975 dia niteraka fanohintohinana ny fahatokisan-tenan' ny Amerikana, na dia nanampy ny fitazonana ny fanjakazakany teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ny toerana misy azy ny faharavan' ny Vondrona Sôvietika tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1990.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search