Abidy siriaka

Ny abidy siriaka dia abidy ampiasaina hanoratana ny fiteny siriaka. Io abidy io dia avy amin'ny abidy arameana, ary nipoiran'ny abidy arabo sy ny abidy sogdiana, izay nipoiran'ny mongol bichig (abidy mongola) sy ny todo bitchig (abidy oirata) ary ny abidy mandtsoa.

Ny fiteny siriaka, toy ny fiteny arabo sy ny fiteny hebreo, dia soratana avy ankavanana miankavia. Tsotra ny endri-tsoratra, nefa misy ireo litera mifandrohy amin'ny hafa rehefa soratana. Misy litera 22 ao amin'ny abidy siriaka ka renisoratra izy ireo raha ny tena marina. Ny zanapeo dia tokony ho fantatry ny mpamaky na ampahafantarin'ny mpanoratra amin'ny alalan'ny mari-tsoratra. Ny zanapeo ([ǎ], [ā], [ě], [ē], [i], [o], [u]) anefa dia voasoratra amin'ny alalan'ny litera ihany amin'ny ampahany: ohatra ny 'âlaph dia naneho renifeo tany amboalohany (feo ambavatraoka, izay tsy voatonona amin'ny fanononana ny fiteny siriaka klasika), nefa nenti-nanondro ny zanapeo [a] na [e] anombohan'ny teny iray na mamarana teny iray. Ny litera wāw dia manondro ny feo [w] nefa mety haneho koa ny zanapeo [o] na [u]. Torak'izany koa ny litera yodh izay maneho ny renifeo [j] ("y") nefa koa afaka anoratana ny zanapeo [i] na [e].


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search