Abrahama (patriarka)

Abrahama
Sary:Guercino Abramo ripudia Agar (cropped).jpg, Rembrandt Harmensz. van Rijn 035.jpg
Ankapobeny
Anarana Abrahama
Teraka Tsy fantatra
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Abrahama, araka ny lovantsofina jiosy sy silamo, dia razamben' ny Hebreo (na Israelita) sy ny Ismaelita. Mety teo anelanelan' ny taona 2000 sy 1500 tal. J.K. no nianinany. Abrama no anarany tamin' ny voalohany, taty aoriana no vao niantsoana azy hoe Abrahama. Isan' ireo taranak' i Sema izy. Teraka tao amin' ny tanànan' i Ora, any KaldeaTerà (na Teraha) no anaran-drainy ary i Nahora sy i Haràna no rahalahiny. Nanambady ny anabaviny tsy iray ray/reny aminy atao hoe Saraha izy. I Ismaela sy i Isaaka no zanany tamin’ i Hagara mpanompony sy tamin’ i Saraha vadiny. Mbola nanambady an’ i Ketora sy nanana anaka taminy izy taorian' ny nahafatesan' i Saraha. I Anrahama no heverina fa nipoiran' ny fivavahana telo mino Andriamanitra tokana (mônôteista) dia ny fivavahana jiosy sy ny fivavahana kristiana ary ny fivavahana silamo.

Atao hoe אַבְרָהָם / Avra'ham izy amin' ny teny hebreo, fa إبراهيم / Ibrahim amin' ny teny arabo ary አብርሃም / Abraham amin' ny teny gezy. Ao amin' ny Bokin' ny Genesisy dia Abrama (izay midika hoe "Rain' ny mino") no anarany fa taty aoriana no nanaovana azy hoe Abrahama izay midika hoe "Rain' ny firenena maro")[1]. Atao hoe Ibrahima (arabo: Ibrahim) izy ao amin' ny boky Kor'any.

  1. Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao. (Gen. 17.5, Ny Baiboly)

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search