Alemaina

((de))
((de))
Repoblika Federalin' i Alemaina ((mg))
Sainan'i Alemaina Armoiries de l'Allemagne
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Einigkeit und Recht und Freiheit
(allemand)
Union, droit et liberté
Teny ofisialy Alemana
Renivohitra Berlin
52°31′N 13°25′E / 52.517°N 13.417°E / 52.517; 13.417
Tanàna ngeza indrindra Berlin
Fitondrana sy governemanta
 - Presida federaly
 - Chancelier fédéral
Repoblika federaly
Frank-Walter Steinmeier
Olaf Scholz
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 63
357 588 km²
2,18%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2021)
 - hakitroka
faha 14
83 129 285 mpo.
232 mpo./km²

Endrika:Formation pays

Anaran'ny mponina Allemana
IDH (2019) Mihakatra 0.947 (ambony) faha 22
Sandam-bola Euro (EUR)
Faritr'ora UTC +1 (été +2)
Hiram-pirenena Deutschlandlied, antema faha telo ny (Einigkeit und Recht und Freiheit)
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+49

I Alemaina na Repoblika Federalin' i Alemaina (RFA), dia firenena any Eorôpa Andrefana, manana morontsiraka amin' ny Ranomasina Avaratra, mizara sisin-tany amin' i Danmarka, amin' i Pôlônia, amin' i Repoblika Tseky, amin' i Nederlandy, amin' i Belzika, amin' i Loksemborga, amin' i Frantsa, amin' i Soisa, ary amin' i Aotrisy. I Alemaina dia repoblika federaly, misy faritra 16 any (Bundesländer na oficial Länder amin' ny fiteny alemàna).

Tamin' ny Andro Taloha, i Alemaina, tahaka ny fantatra amin' izao fotoana izao, dia printsipaotea miisa mihoatra ny telonjato izay mizaka tena avokoa. Tao amin' ny Empira Jermanika Masina i Alemaina tamin' ny taona 962 hatramin' ny taona 1806, tao anatin' ny Kônfederasiôna Jermanika izy tamin' ny taona 1814 hatramin' ny taona 1866. Tamin' ny nifaranan' ny Ady frankô-jermanika tamin' ny 1871, Lasa zana-tanin' i Prosia (jereo Prusse amin' ny teny frantsay) izy ary ny Empira Prosy no nampiray an' i Alemaina taty aoriana: tamin' izany fotoana izany ny andron' ny Reich faha-2 na Reich Wilhelminiana. Ny faharesen' i Alemaina tamin' ny Ady Lehibe Voalohany tamin' ny 1918 dia nampiongana ny Reich Wilhelminiana ary nitarika ny fahatongavan' ny repoblika tao Alemaina. Nanomboka ny Reich faha-3 tamin' ny taona 1933 nefa niongana ilay izy tamin' ny taona 1945, taorinan' ny Ady Lehibe Faharoa. Lasa nipetrahan' ny tafiky ny firenena nandresy azy i Alemaina taorian 'ny Ady Lehibe Faharoa, ary tamin' io fotoana io no niforona ny Repoblika Federaly Alemàna (RFA) sy ny Repoblika Demôkratika Alemàna (RDA). Nikambana ny RFA sy ny RDA tamin' ny taona 1990 (3 Oktobra) taorian' ny nandravana ny Rindrin' i Berlin. I Berlin no renivohiny nanomboka tamin' ny taona 1991 hatramin' izao.

Niisa 82 tapitrisa ny mponina tamin' ny taona 2007, ary i Alemaina no firenena be mponina indrindra ao anatin' ny Vondrona Eorôpeanina.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search