Amerika Avaratra

Amerika Avaratra

I Amerika Avaratra dia zana-kôntinanta, na kôntinanta iray, arakaraka ny fomba fijeryn izay fikambanana firenena telo: i Etazonia sy i Kanada ary i Meksika, na dia sokajiana ao Amerika Afovoany aza i Meksika ao amin' ny bokin-jeôgrafia somary efa taloha.

Ny Ranomasimbe Pasifika no mamaritra azy ao andrefana, ny Ranomasimbe Atlantika no ao atsinana ary ny Ranomasimbe Arktika no ao avaratra.

Mirefy 23,75 tapitrisa kilômetatra toradroa ny velaran' i Amerika Avaratra; i Kanada no firenena ngeza indrindra raha ny velarany no heverina, avy eo i Etazonia (9,63 tapitrisa km²) sy i Meksika (1,97 tapitrisa km²). Miisa 443,36 tapitrisa ny isan' ny mponina ao aminy ka i Etazonia no be mponina indrindra (301 tapitrisa, manana hakitroka 31 mponina isaky ny km²) arahin' i Meksika (107 tapitrisa) sy i Kanada (31 tapitrisa).

Sarin' i Amerika Avaratra azo avy amin' ny zanabolana

Ny tanàna ngeza indrindra ao Amerika Avaratra dia i Mexico (ao Meksika), i New York (ao Etazonia), i Los Angeles (ao Etazonia) ary i Chicago (ao Etazonia).

Indreto ny fiteny miasa: ny fiteny anglisy (any Kanada sy any Etazonia) sy ny fiteny espaniôla (any Meksika sy any amin' ny tapany atsimo amin' i Etazonia) ary ny fiteny frantsay (ao Québec, any amin' ny faritra atsinanana amin' i Kanada).


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search