Andriamanitra (ankapobeny)

Ny andriamanitra dia zavatra (fanahy, raha ny marina kokoa) inoana na heverina fa mihoatra ny fisiana sy ny herin' ny natiora ka atao hoe masina sady matetika anehoan' ny olombelona fanajana sy fatahorana manokana sady anaovany fanompoana ara-pivavahana. Arakaraka ny finoana sy ny fampianaran' ny filôzôfia dia mety hinoana ho tokana ny andriamanitra (mônôteisma, ...) fa mety ho maro koa (pôliteisma, ...). Raha tokana na fara tampony izy dia matetika antsoina amin' ny anarana hoe Andriamanitra fotsiny, izay ampiasaina toy ny anaran-tsamirery. Raha maro izy dia mety hinoana ho mifandray amin' izy samy izy sahala amin' ny mpianakavy na misy fandaminana ara-piarahamonina ka tsy ilaozan' ny olam-pifandraisana toy ny hita amin' ny fiarahamonin' olombelona. Mety hisafidy ny iray amin' ny andriamanitra maro ny fianakaviana na ny foko na ny firenena iray ka hanao azy ho andriamanitra ivavahany manokana (henôteisma).


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search