Andriamanitra (tokana)

Andriamanitra, araka ny finoana ao amin' ny fivavahana mônôteista maro, dia ilay fanahy ambony indrindra, tokana, mpamorona ny zavatra rehetra ary loharanon' ny zavatra misy rehetra. Tonga lafatra izy, tsy manam-petra, tsy miova, mandrakizay, tsara indrindra, mahalala ny zava-drehatra ary mahefa ny zava-drehetra ary andriamanitra misahana izao rehetra izao. Mpamonjy ny olombelona sy ny zavaboary rehetra, ary nanambara tena nandritra ny Tantara izy.

Ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny finoana silamo dia tsy mifangaro amin' izao tontolo izao sady ambonin' izao tontolo izao (mihoa-draha) Andriamanitra. Tokana sy manan-tsitrapo ary manam-pahatsiarovan-tena manokana izy, izany hoe persôna izy. Ivelan' ny sehatry ny fivavahana dia misy koa ny fiheveran' ny filôzôfa ny amin' Andriamanitra tokana, ka efa hatramin' ny filôzôfia grika tamin' ny Andro Taloha izany ka hatramin' izao.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search