Animisma

Alitara (na ôtely) animista ao amin' ny tanàna ambanivohitry ny Bôzô, any Mopti, Bandiagara, any Maly, tamin' ny taona 1972.

Ny animisma dia finoana ny fananan' ny zavatra rehetra fanahy sy aina, ka tsy ny olombelona sy ny biby ihany izany fa ny zavatra hafa toy ny hazo, ny rivotra, sns. Inoana koa ao amin' ny animisma ny fisian' ny fanahy maro tsy hita maso izay mpiaro. Avy amin' ny teny latina hoe anima izay midika hoe "fanahy" na "aina" ny teny hoe animisma.

Ireo fanahy na aina ireo dia fisehoan' ny razana efa maty na fisehoan' ny fanahin' ny andriamanitra biby, izay afaka miasa amin' ity tontolo tsapa ity, na amin' ny lafiny tsara izany na amin' ny lafiny ratsy, izay anaovana fanompoam-pivavahana. Inoan' ny animista ny fisian' ny fiainana aorian' ny fahafatesana. Ny animisma dia hita amin' ny faritra maro eto ambonin' ny tany amin' ny kôntinenta rehetra.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search