Arkanjely

Ny Arkanjely Mikaela manitsaka an' i Losifera, sary nataon' i Guido Reni, taona 1636.

Ny arkanjely na arikanjely dia karazana anjely ambony kokoa noho ny anjely hafa. Anjely irahin' Andriamanitra hamita asa lehibe mahakasika ny fifandraisany amin' ny olombelona. Ny arkanjely anefa tsy ny farany ambony amin' ny zava-miaina any an-danitra fa misy izay mahery kokoa noho izy ireo toy ny Serafima sy ny Kerobima ary misy hafa koa. Miresaka betsaka ny amin' ny anjely sy ny arkanjely ny literatiora sy ny lovantsofina jiosy taorian' ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search