Baiboly

Baiboly

Ny Baiboly dia bokibe, izay fitambaram-boky maromaro, nosoratan' olona maro nandritra ny taonjato maro, niharan' ny fanovanana sy fisivanana, izay inoan' ny Kristiana fa Soratra Masina mirakitra ny tenin' Andriamanitra. Lazaina hoe Baiboly koa ny Soratra Masin' ny Jiosy, izay tsy ahitana afa-tsy ampahan' ny Baiboly kristiana, dia ny Testamenta Taloha, atao hoe Tanakh. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran' ireo boky voasoratra talohan' i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Taloha, fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran' ireo boky voasoratra taorian' ny nahaterahan' i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Vaovao. Ny fiangonana tsirairay dia mety hampiditra amin' ny fomba samy hafa ny boky ao amin' ny Baiboly.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search