Bokin' i Daniela

I Daniela mamaly ny antson' ny mpanjaka, sary nataon' i  Briton Rivière, 1892

Ny Bokin' i Daniela na Bokin' i Daniely dia boky hita ao amin’ ny Baiboly hebreo sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana. Amin’ ny voalohany ny boky dia mitantara ny amin’ ny zatovolahy hebreo efatra izay samy avy ao amin’ ny fanjakan’ i Jodà, indrindra fa i Daniela (na Daniely), izay lasa babo avy tany Jerosalema ka nasesitany tany Babilonia tamin’ ny taona 606 tal. J. K. Lasa mpiasam-panjakana tao Babilôna i Daniela sy ireo namany telo rehefa hitan’ ny mpanjaka ny fahendreny. Tsy nivadika tamin’ ny finoana an’ Andriamanitra anefa izy ireo na dia teo ny fanerena samihafa nahazo azy mba hanompo sampy ary na saika ho namoizany ny ainy aza izany. Resin’ ireo Mediana sy Persiana ny Babilôniana nefa nanohy ny asany tao amin’ ny fanjakana ihany i Daniela.

Amin’ ny tapany faharoa ny boky dia mitantara ny fahitana maro izay nasehon' Andriamanitra an' i Daniela sy ny hevitr’ ireo fahitana ireo araka ny nambaran' ny anjely taminy.

Sady bokin-tantara no bokim-paminaniana ny Bokin' i Daniela. Ny boky manontolo dia maneho ny fifehezan’ Andriamanitra ny tantaran’ ny zanak' olombelona sy izao tontolo izao.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search