Bokin' i Estera

Manoratra taratasy amin'ireo Jiosy i Estera sy i Mordekay, nataon'i Aert de Gelder, taona 1675.

Ny Bokin' i Estera, izay natao hoe Horonam-bokin' i Estera (מגילת אסתר / Megilah Esther), dia boky ao amin’ ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana. Ny boky dia mitantara ny amin’ ny vehivavy Jiosy (na Jody) iray atao hoe Estera izay lasa vadin’ ny mpanjakan’ i Persia, dia i Ahasoerôsy (na Kserksesy I), sady nanavotra ny mpiray tanindrazana aminy izay saika ringana araka ny fikasan-dratsin' i Hamàna piraiministra, sy ny amin’ ny fetin’ ny Porima izay ankalazana izany fahafahana izany. Niseho tao Persia, ao Sosa (na Soza na Sosàna) ny tantara tamin’ ny nanjakan’ i Ahasoerôsy. Maneho ny fanandratana ny osa sy ny famaizana ny mpiavonavona io boky io. Vakina ampahibemaso izy amin' ny Porima.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search