Bokin' i Jodita

Manapaka ny lohan' i Hôlôferna i Jodita, nataon' i Trophime Bigot, taona 1579-1650

Ny Bokin' i Jodita dia boky ao amin' ny Baiboly jody (na jiosy) amin' ny teny grika atao hoe Septanta na Septoaginta izay mitantara ny nampitsaharan' i Jodita, vehivavy mpitondratena jody (na jiosy), ny horohoro nahazo ny Jody (Jiosy) noho ny hanafihan' ny Asiriana azy ireo, tamin' ny nanapahany ny lohan' ilay jeneraly asiriana atao hoe Hôlôferna. Izany fanapahan-doha izany no nampitsahatra ny tahotra sady namelona indray ny finoan' ny Jody ny hery mpanafaka ao amin' Andriamanitra.

Ny Bokin' i Jodita dia tsy hita ao amin' ny Tanakh (Baibolin' ny jiosy amin' ny teny hebreo). Ataon' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa ho boky deoterôkanônika izy nefa ny Prôtestanta dia manao azy ho boky apôkrifa.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search