Bokin' i Nehemia

Ny mandan'i Jerosalema, sary avy amin'ny PikiWiki Israel, taona 2011.

Ny Bokin' i Nehemia dia boky ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Mitantara ny fikasan’ i Nehemia hanangana ny manda efa nirodana indray ny boky. Araka ny voasoratra ao dia nanendry an’ i Nehemia ho governoran’ i Joda i Artakserksesy, mpanjakan' i Persia, mba hahatanterahany ny faniriany nefa nisy ny tsy nankasitraka izany, dia Jiosy (na Jody) sasany sy ireo governoran’ ny tanàna nifanakaiky taminy. Vita ihany ny manda. Nanao fanarenana ara-tsôsialy sy ara-pivavahana i Nehemia. Tanatin’ ny roa ambin’ ny folo taona no nanatanterahany izany rehetra izany. Rehefa niverina tao Jerosalema indray izy dia nahita fa nikorosy fahana ny fiainan’ ny Jiosy tamin’ ny fanambadiana vehivavy hafa firenena, ka nitoetra tao Jerosalema i Nehemia mba hampihatra indray ny Lalàn’ i Mosesy.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search