Bokin' ny Ekleziastika

Ny Bokin' ny Ekleziastika na Fahendren' i Bena Siràka dia boky ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly katôlika sy ôrtôdôksa izay voasokajy ho isan' ireo bokim-pahendrena. Ny lohahevi-dehiben' ny boky dia ny Fahendrena izay anaovan' ny mpanoratra fitanisana ohabolana sy famelabelarana voalamina. Ny fatahorana an' Andriamanitra no fisehoan' izany Fahendrena izany. Izany dia nataon' ny mpanoratra mba hanoherany ny fihanaky ny kolontsaina grika (indrindra ny filôzôfia) izay mila hanototra ny kolontsaina sy ny fivavahana jiosy nolovana tamin' ny razana. Ny Fahendrena dia sady reny no vady no anabavy ka ny fikatsahana azy dia fikatsahana an' Andriamanitra ary ny fiainana miaraka aminy dia fiainana miaraka amin' Andriamanitra.

I Jesoa zanak' i Siràka (hebreo: Yeshua ben Sira) no atao hoe nanoratra an' io boky io tamin' ny fiteny hebreo. Ny zafikeliny no nandika an' ilay boky ho amin' ny fiteny grika.

Ny Jiosy ny ny Prôtestanta dia tsy manao an' io boky io ho kanônika fa mihevitra azy ho tsara vakina ihany.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search