Bokin' ny Fahendrena

Ny fitsarann' i Sôlômôna, sary nataon' i Peter Paul Rubens (1617).

Ny Fahendren' i Salômôna na Bokin' ny Fahendrena dia boky ao amin' ny Baiboly katôlika sy ny Baiboly ôrtôdôksa izay voasokajy ao amin' ireo boky deoterôkanônika. Mamaly ny fahendrena ivelan' ny fivavahana jiosy, indrindra fa ny filôzôfia grika, ity boky ity. Miresaka ny amin' ny fitsanganan' ny tena amin' ny maty sy ny famoronana vaovao ny mpanoratra sady manambara fa tsy ho mety maty sady tsy ho mety lo ny fanahin' olombelona. Milaza ny valisoa ho azon' ny olo-marina sy ny sazy hoan' ny olon-dratsy koa ny boky ary asehony fa famirapiratan' ny fahasambarana mandrakizay ny Fahendrena izay maneho ny hatsaram-pon' Andriamanitra. Ny Prôtestanta dia manakilasy ny boky ho apôkrifa. Tsy hita ao amin' ny Baiboly hebreo koa ny Bokin' ny Fahendrena.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search