Bokin' ny Mpitsara

Maty teo am-pamonoana ny fahavalony i Samsona, Tsy fantatra ny namorona azy, 1728

Ny Bokin'ny Mpitsara dia boky ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly sady ao amin' ny boky masin' ny Jiosy, dia ny Tanakh. Mitantara ny zavatra malaza nataon' ireo mpitsara voatendrin' Andriamanitra hitondra sy hanafaka ny Zanak' i Israely tao amin' ny tany Kanaana taorian' ny nahafatesan' i Jôsoa io boky io. Asehony ihany koa ny fiaimpiainan' ireo mpitsara ireo sy ny fangejan' ny firenena hafa ny Zanak' i Israely noho ny fialany an' Andriamanitra sy ny fiverenany aminy indray ka mahatonga azy ireo hahazo fanafahana. Isan' ireo atao hoe bokin' ny mpaminany (Nevi'im) ny Bokin' ny Mpitsara ao amin' ny Tanakh, fa voasokajy ho bokim-pitantarana na boky ara-tantara kosa izy ao amin' ny Baiboly kristiana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search