Bokin' ny Ohabolana

Manoratra ohabolana i Solomona, nataon'i Gustave Doré, 1866

Ny Bokin' ny Ohabolana na Ohabolana dia boky ao amin' ny Testamenta Taloha, ao amin' ny Baiboly, izay tafiditra ao amin'ireo boky atao hoe "Soratra masina" (Hagiografa) na Ketuvim (na Ketubim) ao amin' ny Baiboly jiosy na Tanakh. Ny Bokin' ny Ohabolana dia fanangonam-pitenenana izay nampiasaina teo amin' i Israely tany aloha mba hampianarana ny vahoakan' Andriamanitra ny fomba tokony hiainany ao amin' ny fahamarinana araka ny Fahendrena.

Nosoratana hanana endrika tononkalo ny ohabolana, sahala amin' ny salamo. Ahitana teny mirakitra fahendrena nentin-drazana ao, toy ny oha-pitenenana fohifohy isan-karazany sy tononkalo koa izay mahakasika ny fitondran-tena araka an' Andriamanitra sy fitsikerana ny fisainana ratsy mbamin' ny asa ratsin' ny olona ary maneho ny vokatr' izany.

Isan' ireo lohahevitra voizin' ny Bokin' ny Ohabolana ny maha fanomezana avy amin' Andriamanitra ny fahendrena, dia ny fahendrena izay tokony hananan' ny olona amin' ny fotoana sy toerana rehetra ary amin' ny sehatra rehetra. Ampianariny ny tokony hanaovana sy hitiavana ny rariny sy ny fanetren-tena ary ny fananana toetra mahatoky. Tsy manavaka saranga ny ohabolana fa mahakasika ny sokajin' olona rehetra.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search