Bokin' ny mpaminany (Baiboly)

I Isaia mpaminany

Ny bokin' ny mpaminany na bokim-paminaniana dia fitambarana boky ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly izay inoan' ny Kristiana fa nosoratan' ny mpaminany nahazo tsindrimandry na fanilovana avy amin' Andriamanitra. Fanasokajiana ao amin' ny Baiboly kristiana io ka tsy tokony hafangaro amin' ny hoe "Mpaminany" na Nevi'im ao amin' ny Baiboly hebreo. Misy sokajy roa ny bokin' ny mpaminany, dia ny atao hoe "mpaminany lehibe" sy ny hoe "mpaminany madinika". Ny Baiboly hebreo dia manasokajy ny "Mpaminany" ho "Mpaminany taloha" (Nevi'im rishonim) sy "Mpaminany taoriana" (Nevi'im aharonim). Misy boky ataon' ny Kristiana ho isan'ny bokin'ny mpaminany izay sokajin' ny Jiosy ao amin' ny hoe Ketuvim ("Soratra"), toy ny Bokin' i Daniela, ohatra; ary misy boky izay ataon' ny Jiosy hoe "Mpaminany" izay voasokajy ho boky ara-tantara ao amin' ny Baiboly kristiana, toy ny Bokin' i Jôsoa hatramin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka. Ny ataon' ny Kristiana hoe bokin' ny mpaminany dia ireo ataon' ny Jiosy hoe "Mpaminany taoriana" miampy ny Bokin' i Daniela sy ny Bokin' ny Fitomaniana (ary ny Bokin' i Baroka, ao amin' ny Baiboly katôlika sy ny Baiboly ôrtôdôksa).


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search