Boky ara-tantara (Baiboly)

Ny Tempolin' i Sôlômôna, 2010.

Ny boky ara-tantara na bokin-tantara dia fitambarana boky ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly izay mirakitra amin' ny ankapobeny ny tantaran' ny Zanak' i Isiraely tao amin' ny tany Kanaana hatrany amin' ny fahababoany tany Babilôna.

Ireto avy ireo boky ireo: Jôsoa, ny Mpitsara, ny Rota, ny Samoela voalohany, ny Samoela faharoa, ny Mpanjaka voalohany, ny Mpanjaka faharoa, ny Tantara voalohany, ny Tantara faharoa, ny Ezra (na Esdrasa) ny Nehemia ary ny Estera. Ny Baiboly katôlika dia ahitana boky deoterôkanônika dia ny Tobià, ny Jodita ary ny Makabeo voalohany sy ny Makabeo faharoa.

Ao amin' ny Baiboly hebreo dia sokajina ho isan' ny "Mpaminany taloha" (hebreo: Nevi'im aharonim) ny hatramin' ny Bokin' i Jôsoa ( na Jôsoe) ka hatramin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka. Ny boky ara-tantara sisa dia voasokajy ao amin' ny atao hoe "Soratra" (hebreo: Ketuvim), ka isan' izany ny Boky voalohan' ny Tantara sy ny Boky faharoan' ny Tantara.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search