Boky faharoan' ny Makabeo

Ny fahitan'i Jodasy Makabeo, sary nataon'i Julius Schnorr von Karolsfeld, taona 1860

Ny Boky faharoan' ny Makabeo dia boky ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika atao hoe Septoaginta na Septanta. Mitantara ny fanoherana nataon' ireo Makabeo io boky io nefa maneho izany amin' ny fomba fijery teôlôjika kokoa fa tsy ara-tantara. Kely kokoa noho ny an' ny Boky voalohan' ny Makabeo ny vanim-potoana resahiny: manomboka amin' ny andro faramparany niainan' ny mpanjaka seleokida Antiôkôsy IV Epifanesy ary mifarana amin' ny fandresen' i Jodasy Makabeo ny Jenerany Nikanôra, dimy ambin' ny folo taona taty aoriana (taona 161).

Voasokajy ho deoterôkanônika ny boky ao amin' ny Baiboly katôlika sy ny Baiboly ôrtôdôksa fa apôkrifa kosa izy ho an' ny Prôtestanta sy ny jodaisma. Ny Anglikana dia mihevitra an' io boky io ho ilaina nefa tsy amin' ny fanorenam-pampianarana na amin' ny fanavotana[1][2].

Na dia kely kokoa noho ny an' ny boky voalohany aza ny zavatra lazainy momba ny tantaran' ny Jody (na Jiosy) dia loharano ahafantarana ny niantombohan' ny ady teo amin' ny Jodeana sy ny Seleokida io boky io. Ahitana zavatra manakaiky ny lovantsofin' ny Fariziana koa ao, dia ny vavaka ho an' ny maty, izay finoana ny tsy feteza-matin' ny fanahin' olombelona na ny fiainana mandrakizay sy ny fitsanganan-ko velona amin' ny Andro fitsarana[3].

  1. Harris, Stephen L., Understanding the Bible. Palo Alto: Mayfield. 1985.
  2. Article VI at episcopalian.org (Tahiry: 2007-09-28 ao amin'ny Wayback Machine).
  3. Harris, Stephen L., Understanding the Bible. Palo Alto: Mayfield. 1985.

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search