Boky voalohan' ny Tantara

I Rehoboama sy i Jeroboama, sary nataon'i Schnorr von Carolsfeld, ao amin'ny Bibel in Bildern, 1860

Ny Boky voalohan'ny Tantara na Tantara voalohany dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana sady hita koa ao amin’ny Tanakh, boky masin'ny jodaisma. Ampahany amin'ny boky izay nozaraina roa io boky io, dia ny Bokin'ny Tantara, ka ny tapany faharoa dia ny Boky faharoan'ny Tantara. Ireo boky ireo dia manazava ny ny tantaran'ny Fanjakan'i Israely sy ny Fanjakan'i Joda hatramin'ny famoronana an'i Adama izay asehony amin'ny fomba hafa raha ampitahaina amin'ny voalaza ao amin'ireo Bokin'i Samoela sy ireo Bokin'ny Mpanjaka na dia misy tantara izay hita fa naverin'ny mpanoratra tantaraina.

Ny mpanjaka Davida no olona resahina indrindra ao. Izy no nanao an'i Jerosalema ho ivontoeran'ny fivavahana amin'i Iahveh Andriamanitra. Deraina ho ilay mpanorina ny Tempoly izy na dia i Solomona zanany, raha ny marina, no tena nanatanteraka izany.

Ao amin’ny Boky voalohan'ny Tantara, i Davida dia aseho ho olona modely amin'ny fanompoana amim-pinoana sy fanajana an'Andriamanitra. Tamin'ny fotoana farany nanjakany dia nidera an’Andriamanitra izy teo anatrehan'i Israely manontolo ka nanao hoe :

"Isaorana anie Ianao, Jehovah ô, Andriamanitr’Isiraely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Ianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao". (1Tant. 29.10-12a, Ny Baiboly)


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search