Daniela

Daniela
Ankapobeny
Anarana Daniela
Teraka Tsy fantatra
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Iran
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Daniela na Daniely dia olona resahina ao amin' ny Baiboly izay isan' ireo mpaminany israelita malaza eo amin' ny fivavahana jiosy sy kristiana. Iray amin' ireo zatovolahy hebreo efatra avy ao amin’ ny Fanjakan’ i Joda ka lasa babo tany Babilônia tamin’ ny taona 606 tal. J. K. i Daniela. Lasa mpiasam-panjakana tao Babilôna izy sy ireo namany telo noho ny fahendrena nananany. Nisy ny fanerena samihafa nahazo azy mba hanompo sampy nefa tsy nivadika tamin’ ny finoany an’ Andriamanitra izy na dia niteraka fahasahiranana ho azy izany. Nanohy ny asany tao amin’ ny fanjakana Persiana koa izy taorian' ny naharesy ny Babilôniana. Rehefa nihalehibe i Daniela dia maro ny fahitana nasehon' Andriamanitra taminy, indrindra ny amin' ny zavatra hiseho any amin' ny andro farany. Ny lovantsofina jiosy dia manao an' i Daniela ho nanoratra ny Bokin' i Daniela.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search