Davida (mpanjaka)

Davida
Ankapobeny
Anarana Davida
Teraka 1040 tal. J.K.
Maty 970 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Davida dia mpanjakan' i Israely teraka tokony ho tamin' ny taona 1040 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 970 tal. J.K. tao Jerosalema. Araka ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly dia mpanjaka faharoan' i Israely nandimby an' i Saoly (na Saola) i Davida teo anelanelan' ny taona 1000 sy 970 tal. J.K. Taranany ny mpanjakan' i Jodà nifandimby. I Davida no mpanjaka nahatanteraka ny firaisan' ny Israelita rehetra sady nanao an' i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany. Amin' ny Kristiana dia tandindon' ny Mesia izy. Ao amin' ny Bokin' i Samoela roa sy ny Bokin' ny Mpanjaka roa ary ny Boky voalohan' ny Tantara no tena ahitana ny tantarany ao amin' ny Baiboly.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search