Ekiomenisma

Ny ekiomenisma dia hetsika iraisam-pinoana izay miezaka hampandroso ny asa iraisana eo amin' ny firehana maro ao amin' ny kristianisma, na dia misy aza ny fahasamihafan' ny foto-pampianaran' izy ireo, ka ny tanjona dia ny "firaisana hita mason' ny Kristiana". Nanomboka tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-19 no nampandroso ny ekiomenisma izay lasa azo tsapain-tanana ankehitriny amin' ny fisian' ny fifanarahana maro, ny sehatra ifampiresahana maro, ny fanatanterahan-javatra azo tsapain-tanana toy ny fandikan-teny ny Baiboly na ny herinandro fiaraha-mivavaka ho an' ny firaisan' ny Kristiana. Isan' ireo mpisava lalana amin' ny ekiomenisma ny patriarka grika ôrtôdôksa Germanos V an' i Kônstantinôpôly, ny eveka anglikana amerikana Charles Brent, ny pastora nohavaozina neerlandey Willem Visser 't Hooft, ny pretra katôlika frantsay Yves Congar, ny arseveka loterana soedoà Nathan Söderblom ary ny laîka amerikana John Mott. Ireo farany ireo dia nahazo ny loka Nobel ho an' ny fandriam-pahalemana noho izany ezaka nataon' izy ireo izany.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search