Fihoa-draha

Ny fihoa-draha dia toetra ananan' ny zavatra anankiray izay mihoatra ny tokony hotakatry ny fahatsapana sy ny sain' ny olombelona. Atao hoe "mihoa-draha" ny zavatra manana izany toetra izany. Mampiasa ny teny hoe fihoa-draha na mihoa-draha ny filôzôfa sy ny teôlôjiana mba hiresahany ny amin' Andriamanitra izay tsy takatry ny saina sady tsy mifangaro amin' ny zavaboary noforoniny. Tsy Andriamanitra ihany no hitan' ny filôzôfa ho mihoa-draha fa misy zavatra hafa koa toy ny fanahy. Tsy ireo sehatra roa ireo ihany (ny filôzôfia sy ny teôlôjia)

no ahitana ny fampiasana io teny io fa ny taranja matematika kzy mba hilazana ny toetran' ny isa sasany toy ny isa e sy π.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search