Filazantsara

Ny Filazantsara na Evanjely na Vaovao Mahafaly dia fitambaran' ny boky efatra (Matio, Marka, Lioka, Joany (na Jaona)) hita ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana, natao hizaràna amin' ny olona rehetra ny momba ny Fanjakan' Andriamanitra sy i Jesoa Kristy. Ny Kristiana dia mamaky sy mihaino ny Filazantsara satria mino fa hahazo fanampiana amin' ny fiainany manontolo ary hifandray amin' ny Mpahary sy ny voary. Atao hoe Evanjelista na Evanjelistra ny mpanoratra ny Filazantsara. Amin' ny heviny mivelatra dia ilazana ny Testamenta Vaovao ihany koa ny teny hoe filazantsara na vaovao mahafaly.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search