Filazantsara araka an' i Joany

I Jesoa sy ilay mpianatra tiany indrindra

Ny Filazantsara araka an' i Joany, na Evanjely araka an' i Masindahy Joany na Vaovao Mahafaly araka an' i Masindahy Joany na Filazantsara araka an' i Jaona na Vaovao Mahafaly araka an' i Jaona dia Filazantsara na Evanjely fahefatra ao amin' ny filazantsara kanônika ao amin' ny ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana. Tsy anisan' ny Filazantsara sinôptika telo ny Filazantsaran' i Jaona ka miavaka tanteraka amin' ireo telo voalohany ireo, dia ny Matio, ny Marka ary ny Lioka. Misy toko 21 ity boky ity.

Izy io dia mirakitra fitantarana momba ny fanompoan' i Jesoa na Jesosy, izay ahitana ny "'famantarana" fito izay nahatratra ny fara tampony amin' ny nananganana an' i Lazarôsy na Lazara (milaza mialoha ny fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty) sy ny lahateny fito ahirana ny teny hoe "Izaho no ..." (grika: Ego eimi) (miresaka momba ny adihevitra momba ny fiangonana sy ny sinagôga tamin' izany fotoana izany tamin' ny fotoana nanoratana an' ilay evanjely)[1] izay niafara tamin' ny fanambaràn' i Tômasy an' i Jesoa nitsangana tamin' ny maty hoe "Tompoko sy Andriamanitro"[2][3]. Ny andininy famaranana ilay evanjely dia milaza ny tanjony: "mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy, Zanak' Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin' ny anarany, raha mino ianareo"[4].

Ny Filazantsaran' i Jaona dia tonga amin' ny endriny farany ahalalana azy ankehitriny teo amin' ny taona 90–110 taor. J.K.[5], na dia misy ao ao aminy aza ny famantarana ny fiaviany izay nanomboka tamin' ny taona 70 taor. J.K. ary mety ho taloha kokoa aza[6]. Sahala amin' ny filazantsara telo hafa dia tsy mitonona anarana ny mpanoratra azy, na dia manondro ny "mpianatra tian' i Jesoa" tsy fantatra anarana ho loharanon' ny lovantsofina aza izy io[7]. Azo inoana fa nipoitra tao anatin' ny "kristianisma jôhanika" na "sekoly jôhanika" izany[8], ary - satria mifandray akaiky amin' ny fomba sy ny vontoatin' ny epistily jôhanika telo - ny ankamaroan' ny manam-pahaizana dia mihevitra ny boky efatra, miaraka amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy, ho fitambaran' ny literatiora jôhanika, na dia tsy avy amin' ny mpanoratra iray ihany aza izany[9].

  1. Lindars, Barnabas (1990). John. New Testament Guides. Vol. 4. A&C Black, p. 53.
  2. Witherington, Ben (2004). The New Testament Story. Wm. B. Eerdmans Publishing., p. 83.
  3. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte : aucun texte n’a été fourni pour les références nommées :3
  4. Edwards, Ruth B. (2015). Discovering John: Content, Interpretation, Reception. Discovering Biblical Texts. Grand Rapids, Michigan: Wm. B. Eerdmans Publishing. ISBN 978-0-8028-7240-1., p. 171.
  5. Lincoln, Andrew T. (2005). Gospel According to St John: Black's New Testament Commentaries. Bloomsbury Publishing, p. 18.
  6. Hendricks, Obrey M. Jr. (2007). "The Gospel According to John". In Coogan, Michael D.; Brettler, Marc Z.; Newsom, Carol A.; Perkins, Pheme (eds.). The New Oxford Annotated Bible (3rd ed.). Peabody, Massachusetts: Hendrickson Publishers, Inc, p. 147.
  7. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte : aucun texte n’a été fourni pour les références nommées :7
  8. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte : aucun texte n’a été fourni pour les références nommées :8
  9. Harris, Stephen L. (2006). Understanding the Bible (7th ed.). McGraw-Hill., p. 479.

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search