Fiteny anglisy

Fiteny anglisy
English

Isan'ny mpiteny maherin' ny 380 tapitrisa ho teny nibeazana, 1 miliara raha teny nianarana
Faritany Kôntinenta dimy
Sata Fiteny ôfisialin'nny Firenena Mitambatra sy fikambanana iraisam-pirenena maro hafa


Ny Fiteny anglisy dia fiteny jermanika avy any Angletera. Io no fiteny nibeazan' ny mponina anatin' ny firenena maro, indrindra any amin' ny Fanjakana Mitambatra (United Kingdom) sy ny zanataniny taloha: Etazonia, Kanada, Aostralia, Afrika Antsimo, ary India. Ireo zanatany taloha izay mbola mampiasa ny teny anglisy dia lazaina fa ao amin' ny tontolo miteny anglisy, izay atao hoe Anglosphere amin' ny teny anglisy.

Anisan' ny fiteny be mpampiasa indrindra eto an-tany ny fiteny anglisy, ao arian' ny fiteny sinoa. Satria izy no fiteny be mpampiasa indrindra, milaza ny olona sasany hoe "fiteny iraisam-pirenena" ny fiteny anglisy. Sady io fiteny io no teny fiasana anatin' ny Firenena Mikambana miaraka amin' ny fiteny frantsay. Fiteny ôfisialy ao amin' io fikambanana io koa izy, manapy ny fiteny arabo, ny fiteny sinoa mandarina, ny fiteny frantsay, ny fiteny rosiana ary ny fiteny espaniôla.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search