Fiteny arameana

Soratra siriàka ao amin' ny tranon' ny Arseveka Lehibe Katôlika Sirô-Malabara, ao Ernakulam.

Ny fiteny arameana (na aramaika) dia iray amin' ireo vondrom-piteny hamitô-semitika. Misy koa ny manoratra hoe arameo tahaka ny hoe hebreo sy ny hoe aramianina na arameanina. Amin' io fianakaviam-piteny hamitô-semitika (na afrô-aziatika) io dia isan' ny sampana semitika ny fiteny arameana. Raha ny tena marina dia ampahan' ny fianakaviam-piteny semitika atsimo-andrefana ny fiteny arameana, izay mahafaoka koa ireo fiteny kananeana toy ny fiteny hebreo sy ny fiteny fenisiana (foinikiana na koa foenikiana) ary ny fiteny ogaritika. Ny abidy arameana dia noraisin' ny fiteny hafa sady razan' ny abidy hebreo sy ny abidy arabo, ary koa ny abidy karôsity ao avaratra-andrefan' i India, ary mety ho razan' ny abidy brahmy koa.

Nandritra ny 3 100 taon' ny tantara voasoratra dia nampiasaina ho fitenim-panjakàn' ny empira sy fiteny amin' ny fanompoam-pivavahana ny fiteny arameana. Isan' ny fiteny andavanandro tao Palestina nandritra ny fotoan' ny Tempoly Faharoa (539 tal. J.K. - 70 taor. J.K.), fiteny niresahan' i Jesoa-Kristy[1] [2], fitenin' ny ampahany be ao amin' ny Bokin' i Daniela sy ny Bokin' i Ezra (na Esdrasa) ao amin' ny Baiboly, ary fiteny nampiasaina indrindra ao amin' ny Talmoda[3]. Nefa, ny fiteny jodeô-arameana dia hafa noho ny fananany toetra sy fitsipiteny miavaka.

Ny tantara lavan' ny fiteny arameana sy ny fampiasana azy amin' ny fomba isankarazany dia nanjary niteraka fiforonan' ny fitenim-paritra maro, izay heverina indraindray ho tena fiteny mahaleotena. Noho izany, tsy nisy ny atao hoe fiteny arameana marin-toerana sy tsy miova. Ny vanim-potoana tsirairay sy ny faritra tsirairay dia samy nanana ny karazam-piteny arameanany avy. Nanao ny arameana ho fitenim-pivavaha ny Fiangonana Tatsinanana, amin' ny endriny atao hoe siriaka, izay karazana fiteny arameana nampielezana ny fivavahana kristiana tatsinanana. Ireo fiangonana ireo dia nampiasa ny fiteny arameana na karazana arameanam-paritra.

Ny fiteny arameana vaovao dia ampiasaina ho fiteny voalohany ao amin' ny vondro-mponina madinika miparitaka ka mitoka-monina ny ankamaroany, izay Kristiana na Jiosy, sy ampiasain' ny foko mandeana any Azia Atsinanana[4] – ny ankamaroany, ireo Asiriana, dia mampiasa ny fiteny arameana amin' ny endriny vaovao, fiteny asiriana arameana vaovao, fiteny kaldeana arameana vaovao –; izy rehetra dia mbola mampiasa fiteny natanjaka ifaneraseran' ny olona tsy mitovy fiteny. Ireo fiteny arameana ireo dia heverina ho fiteny andalam-panjavonana amin' izao fotoana izao[5].

  1. The Eerdmans Bible Dictionary: Aramaic, Grand Rapids, Michigan, Allen C. Myers, William B. Eerdmans, 1987(ISBN 0-8028-2402-1), p. 72 « It is generally agreed that Aramaic was the common language of Israel in the first century AD. Jesus and his disciples spoke the Galilean dialect, which was distinguished from that of Jerusalem (Matt. 26:73). »
  2. http://markdroberts.com/htmfiles/resources/jesuslanguage.htm [tahiry].
  3. Beyer 1986, p. 38–43 ; Casey 1998, p. 83–6, 88, 89–93 ; Eerdmans 1975, p. 72.
  4. Heinrichs 1990, p. xi–xv ; Beyer 1986, p. 53.
  5. "L'araméen, la langue parlée par Jésus, menacée d'extinction Archived Desambra 24, 2015 at the Wayback Machine" [tahiry], lahatsoratra tao amin'ny Atlantico, 26/01/2013.

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search