Fiteny hebreo

עִבְרִית ʿIvrit
Isan'ny mpiteny 8,3 tapitrisa
Faritany  Israely
Sata Teny ofisialin'i

 Israely

Ny fiteny hebreo na fiteny hebrio dia fiteny semitika. Tenin' ny Jiosy io fiteny io. Teny fampiasan' ny Israelita nandritra ny fotoana nitrangan' ny tantara ao amin' ny Baiboly ny teny hebreo. Rehefa resin' i Babilôna i Jodà, dia nentina hatao sesitany tany Babilôna ny Jiosy ka nanomboka niteny aramaika na arameana. Tsy nampiasaina tamin' ny fiainana andavanandro intsony ny teny hebreo fa mbola fantatry ny Jiosy mpanadihady Soratra Masina ihany.

Nanan-kevitra ny hanao ny teny hebreo ho fiteny fampiasa indray ny Jiosy maro tamin' ny taonjato faha-20. Ary lasa tenin' ny firenen' i Israely tamin' ny 1948 ilay fiteny. Avy amin' ny toerana maro ny mponin' i Israely ka nanapa-kevitra ny hianatra teny hebreo avokoa izy ireo mba hiteny amin' ny fiteny iray ihany. Ny fikambanana mifehy ny fampiasana ny teny hebreo dia ny Akademian' ny Fiteny Hebreo.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search