Fiteny siriaka

Ny fiteny siriaka dia anisan' ny fiteny semitika ao Atsinanana Akaiky, ao amin' ny vondrom-piteny arameana. Efa nisy tamin' ny taonjato faha-12 tal. J.K. ny fiteny arameana ka nivoatra nandritra ny taonjato maro. Fitenim-paritry ny fiteny arameana ny fiteny siriaka, dia ilay fiteny arameanan' ny faritra Edesa. Nanjary fiteny soratana ny fiteny siriaka tamin' ny fiantombohan' ny kristianisma tamin' ny fampiasana ny abidy siriaka. Ny fiteny siriaka dia atao hoe ܣܘܪܝܝܐ / Suryāyā na Suryoyo amin' io fiteny io. Amin' ny teny siriaka dia atao hoe ܐܪܡܝܐ / Armāyā na Ārāmāyā na Oromoyo ny fiteny arameana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search