Fitsanganan' i Jesoa ho velona

Fitsanganan' i Jesoa ho velona, nataon'i Noel Coypel, taona 1700.

Ny fitsanganan' i Jesoa ho velona na fitsanganan' i Jesosy tamin' ny maty tamin' ny andro fahatelo[1] taorian' ny nanomboana azy dia anisan' ny tenim-pinoana (na dôgma) fototra eo amin' ny teôlôjia kristiana, indrindra eo amin' ny kristôlôjia izay ivony. Atao hoe ἀνάστασις τοῦ Ἰησοῦ / anastasis toû Iêsoû izany ao amin' ny Baiboly amin' ny teny grika. Izao no voasoratra ao amin' ny literatiora kristiana tranainy, dia ny Taratasin' i Paoly izany: "Ary raha tsy nitsangana tamin' ny maty i Kristy dia foana ny finoanay[2]". Izany tenim-pinoana izany dia manambara fa nitsangana tamin' ny maty tokoa tamin' ny andro fahatelo taorian' ny nanomboana azy tamin' ny hazo fijaliana i Jesoa avy any Nazareta mba hanatanteraka ny fanavotana ny olombelona amin' ny maha Kristy azy. Ao amin' ny fanekem-pinoana nikeana (na niseana) no ahitana indrindra izany tenim-pinoana izany.

Araka ny Evanjely na Filazantsara efatra, taorian' ny nanomboana an' i Jesoa araka ny didin' i Pôntio Pilato, sy taorian' ny nahafatesany teo amin' ny hazo fijaliana, dia nalevina i Jesoa. Roa andro taorian' izany dia hitan' ny vehivavy maromaro namangy ny fasana, indrindra i Maria Magdalena, fa nikodia niala ny vato nanidiana ny fasana izay lasa foana. Niseho tamin' ny mpianany maro i Jesoa taorian' izany, ka anisan' izany ny Apôstôly[3].

Ny fitsanganana amin' ny maty no mamarana ny fiainana sy ny fahafatesan' i Jesoa, ary ivon' ny finoana kristiana. Ho an' ny mino dia manisy tombo-kase ny fandresen' ny fiainana ny fahafatesana izany ary manamarina ny maha Andriamanitra an' i Jesoa.

Ny famakafakana ara-tantara aman-tsikera ankehitriny, noho ny tsy fahafahana mihevitra ny zava-mitranga ambonin' ny ara-boajanahary ho zava-misy marina azo hamarinina, dia manavaka ny finoan' ny Kristiana voalohany, izay nihevitra ny fitsanganan' i Jesaa tamin' ny maty ho tena zava-nisy tokoa, sy ny zava-nitranga ara-tantara amin' ny hevitra hentitry ny teny hoe "tantara", izany hoe ny fiavian' izany finoana izany sy ny mety ho daty nisehoan' ity finoana ity voalohany ary ny fomba nielezany.

Ankalazain' ny Kristiana izany fitsangan' i Jesoa tamin' ny maty izany amin' ny Alahadin' ny Paska, izany hoe ny Alahady voalohany aorian' ny fenomanana voalohany manaraka ny ekinôksan' ny lohataona (21 Marsa) any amin' ny ilabolantany avaratra, telo andro aorian' ny Zoma masina, izay ahatsiarovana ny nanomboana azy tamin' ny hazo fijaliana. Zava-dehibe amin' ny fanavotana izany fitsanganan-ko velona izany ho an' ny Kristiana.

  1. Jereo: "Why Was Resurrection on 'the Third Day'? Two Insights" momba ny fanazavana ny andian-teny hoe "telo andro". Araka an' i Ernst Lüdemann sy Pinchas Lapide, ny hoe "telo andro " dia mety mampahatsiahy ny Hôsea 6:1–2 ("1 Andeha hiverina ho amin' i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika. 2 Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin' ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika"). Jereo koa ny 2Mpanjaka 20:8 ("Ary hoy Hezekia tamin' i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin' i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon' i Jehovah raha afaka ampitso?")
  2. Kôrintiana voalohany 15:14, Ny Baiboly
  3. Kôrintiana voalohany 15: 5-6, Ny Baiboly

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search