Hazo fijaliana

Hazofijaliana latina

Ny hazo fijaliana na hazofijaliana na lakroà dia eva amantarana ny fivavahana kristiana amin' ny ankapobeny, izay heverina ho endriky ny fitaovana nanomboana an' i Kristy. Tamin' ny taonjato faha-4 no lasa eva sy famantarana ny fivavahana kristiana ny hazo fijaliana mitanam-bokovoko, izay noraisin' ny emperona Kônstantino Lehibe, araka ny lovantsofina, amin' ny endrika krisma (). Tamin' izany vanim-potoana izany sy taorian' ny nahitan' ny renin' ity emperora ity ny relikan' ny "Hazofijaliana Marina" (heverina fa io ilay nanomboana an' i Kristy), araka ny lovantsofina, no nanombohan' ny fivavahana amin' ny hazofijaliana. Nandritra ny taonjato faha-4 sy faha-5 dia nanomboka nanaingo ny trano fivavahana io famantarana io. Tafaraka matetika amin' ny sary fanehoana an' i Kristy ny hazo fijaliana nanomboka tamin' ny taonjato faha-6.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search