Iahveh

ΙΑΩ, fandikana grika ny tetragrama (YHWH), ao amin' ny sora-tanan' ny Septoajinta tao Komrano 4Q120 tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K.

I Iahveh na Yahweh na Iahve dia andriamanitra notompoina tany Ampiposahana (any Atsinanana Akaiky) fahiny, ary andriamanitry ny Fanjaka' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà. Nanompoa azy ny Zanak' i Israely. Na dia tsy misy marimaritra iraisana momba ny niandohan' ilay andriamanitra aza, dia milaza ny manam-pahaizana amin' ny ankapobeny fa i Yahweh dia niseho ho "andriamanitra mpiady" nampifandraisina amin' i Seira, amin' i Edôma, amin' i Paràna ary amin' i Temàna, ary tatỳ aoriana tamin' i Kanaana. Ny niandohan' ny fanompoam-pivavahana taminy dia fara faharatsiny tamin' ny fiandohan' ny Andron' ny Vy, ary azo inoana fa hatramin' ny Andron' ny Alimo, raha tsy aloha kokoa noho izany.

Ao amin' ny literatiora ara-baiboly tranainy indrindra, i Yahweh dia manana toetra ifanahafany manokana amin' ny andriamanitry ny toetrandro sy ny ady, izay mampahavokatra ny tany ary mitarika ny tafiky ny lanitra hiady amin' ny fahavalon' i Israely. Ny Israelita voalohany dia mpivavaka amin' andriamanitra maro (pôliteista) ary nanompo an' i Yahweh sy ny andriamanitra ary andriamanibavy kananita isan-karazany, anisan' izany i El sy Asherah ary i Baal. Tany amin' ireo taonjato tatỳ aoriana dia nifamatotra i El sy i Yahweh ary ny toetra mifandray amin' i El, toy ny hoe El Shaddai, dia nanjary nampiharina tamin' i Yahweh irery, ary ny andriamanitra sy andriamanibavy hafa toa an' i Baal sy Asherah dia natelin' ny fivavahana iahvista.

Tamin' ny fiafaran' ny fahababoana tany Babilôna ​​dia nolavin' ny jodaisma ny fisian' ny andriamanitra hafa, ary i Yahweh dia nambara ho andriamanitra mpamorona sy hany andriamanitra tokony hivavahana. Nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa dia nanjary noheverina ho fady ny fanononana ny anaran' i Yahweh ampahibemaso, ary ny Jiosy kosa dia nanomboka nanolo izany amin' ny teny hafa, indrindra fa amin' ny hoe Adonai (hebreo: אֲדֹנָי‎ / "Tompoko"). Tamin' ny Vanimpotoana Rômana, taorian' ny nanaovana fahirano an' i Jerosalema sy ny fandravana ny tempoliny tamin' ny taona 70 taor. J.K., dia hadino tanteraka ny fanononana ny anaran' ilay andriamanitra tany am-boalohany.

Antsoina koa i Yahweh ao amin' ny Papyrus Amherst 63, sy ao amin' ny soratra jiosy na niharan' ny lahatsoratra majika grika-ejipsianina tamin' ny taonjato voalohany ka hatramin' ny faha-5 taor. J.K.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search