India

भारत गणराज्य ((hi))
Bhārat Ganarājya hi
Republic of India en
Repoblikan' India ((mg))
Sainan' India Fanevan' India
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : सत्यमेव जयते (Satyamēva Jayatē)
(avy amin'ny Sanskrity : Ny Marina ihany no izy)
Teny ofisialy fiteny hindi, fiteny anglisy, ary
fiteny hafa miisa 21 1
Renivohitra New Delhi
28° 34' N, 77° 07' E
Tanàna ngeza indrindra Mombay
Fitondrana sy governemanta
 - Filoham-pirenena
 - Praiminisitra
Repoblika federaly
Ram Nath Kovind
Narendra Modi
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 7
3 287 590 km²
9,5 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 2
1 147 995 898 mpo.
349 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Indianina
IDH (2006) Mihakatra 0,611 (anelanelany) faha 126
Sandam-bola Ropia (INR)
Faritr'ora UTC + 5,30
Hiram-pirenena Jana-Gana-Mana
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+91

I India dia firenena ao Azia Atsimo, i New Delhi no renivohiny ary i Bombay no tanàn-dehibe be mponina indrindra ao. Mirefy 3 287 263 km2 ny velarany ary miisa 1 429 tapitrisa ny mponina tao aminy tamin' ny taona 2023.

Ny hoe India dia avy amin' ny fiteny persana hoe Sindhu, izay anarana persanan' ny renirano Indosy amin' ny fiteny sanskrity. Ny anarana ôfisialy dia mampiasa ny teny hoe Bharat (mpanjaka hindoa niaina taona taloha). Ny anarany fahatelo hoe Hindustan ("tanin' ny Hindoa" amin' ny fiteny persana) dia niasa tamin' ny taonan' ny Empira Môgôly, io teny hoe Hindustan io dia tsy ôfisialy intsony ankehitriny fa ampiasaina matetika rehefa miresaka an' i India.

Sarin-tanin' i India

Mivelatra amin' ny halavana 7 000 km i India. Mizara sisintany amin' i Pakistàna izy any andrefana, sy i Sina, i Nepaly, i Botàna izy any avaratra. I Bangladesa sy i Mianmara any atsinanana. Eo amin' ny Ranomasimbe Indianina, tsy lavitry ny Repoblikan' i Maldiva (any atsimo-andrefana), i Seilàna (any atsimo-atsinanana). Mizara sisintany amin' i Afganistàna koa i India any avaratra-atsinanany. Ny vohontanin' i India dia miavaka noho ny fisian' ny ampahany amin' i Himalaya (tandavan-tendrombohitra avo indrindra eran-tany) sy ny ony lehibe telo: i Indosy sy i Ganges (renirano manan-kasina ho an' ny Hindoa) ary i Brahmaputra. Miavaka ny toetany noho ny fisian' ny rivotra mosôna (misy orana mahery amin' ny fahavaratra).

I India no firenena faharoa be mponina indrindra eran-tany (aorian' i Sina): ny mponina ao aminy dia 17 % amin' ny mponina eran-tany. Vondrom-poko 1 600 mahery no miara-monina ao amin' ny tanin' i India. Miavaka ny fiarahamonina indiana noho ny fisian' ny sarangam-poko (kasta), izany hoe fandaminana ara-piarahamonina ahitana ambaratonga miankina indrindra amin' ny fandovana sy ny fivavahana.

Misy fiteny sy fitenim-paritra maherin' ny 3 000 ny ao India ka fiteny ôfisialy roapolo mahery no eken' ny lalàmpanorenana. Ny fitenim-pirenena dia ny fiteny hindy. Maro ny fivavahana teraka tao amin' io zana-kôntinenta io, toy ny bodisma, ny jainisma, ny hindoisma ary ny sikisma.

Ny fambolena no sehatra lehibe amin' ny asa ara-toekarena ao India, izay faharoa amin' ny famokarana vary eran-tany. Nihanivoatra be i India tamin' ny dimy ambin' ny folo taona farany teo, indrindra tamin' ny fanombohana ny fiovana demôgrafika nisy hatry ny taona 1991. Tamin' ny 22 Janoary 2007 dia niverina avy tany amin' ny habakabaka ny kapsily indianina tsy misy olona afaka 12 andro, izay nametraka marika siantifika sy teknika lehibe ho an' i India. Hatry ny taona 2008 dia anisan' ny hery ara-toekarena lehibe eto an-tany i India, izay nanakaiky an' i Sina sy i Rosia ary i Brezily; ary i India no hery ara-toekarena fahavalo eto an-tany.

Teo amin' ny tanin' i India no misy ny sivilizasiôna antitra indrindra eto an-tany: ny sivilizasiônan' Indosy, iray amin' ny voalohany fantatra tao amin' ny Saikinosy Indiana, nanomboka tamin' ny taona 2500 ka hatramin' ny 1800 tal JK. any ho any. Voamariky ny fananiham-bohitra nataon' ny Ariana ny tantaran' i India: olona avy any Azia Afovoany niandohan' ny rafitra misy sarangam-poko. Nivoatra tsikelikely ny fandaminana ara-pôlitika, ka nipoitra ny repoblika sy ny fanjakà-mpanjaka isan-karazany. Taorian' ny Fanjakan' i Magadha, izay niandohan' ny fampiraisana an' i India, dia maro ny tarana-mpanjaka nifandimby, indrindra fa ny Maurya sy ny Gupta (izay heverina ho andro volamenan' ny kolontsaina klasika tany India). Nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ka hatramin' ny taonjato faha-17 ilay firenena no niharan' ny fananiham-bohitra nataon' ny Mozilmana sy ny Môgôly. Ny fanjanahantany eorôpeana (nataon' ny Pôrtogey, ny Hôlandey, ny Frantsay ary ny Britanika) dia nanomboka tamin' ny taonjato faha-16. Tamin' ny farany dia ny Empira Britanika no nahavita nifehy tanteraka ilay firenena. Mandritra ny taonjato roa i India dia zanatany anglisy; izy no zanatany britanika ngeza indrindra. Nitranga tamin' ny taona 1849 ny andiana fikomiana voalohany nanohitra io fahefana io. Notohizan' i Mohandas Gandhi izany tamin' ny taompolo 1920 sy 1930. Nahazo ny fahaleovan-tenany i India tamin' ny taona 1947. Tamin' io fotoana io dia naverina ho an' i India taorian' ny fahazoany ny fahaleovan-tena ny tobim-barotra (kôntoara) frantsay sy pôrtogey tao India. Na izany aza dia nisy ady ara-pivavahana sy ara-pizaràn-tany maro tao amin' ilay firenena.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search