Jodaisma

Menorah (jiro fito rantsana) tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema (famerenana ny endriny)

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan' ny Israelita na ny Jiosy (na Josy), indrindra taorian' ny faharavan' ny Tempolin' i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian' ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an' Andriamanitra tokana atao hoe Iahveh. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin' io fivavahana io. 15 000 000 no isan' ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary ny 7 000 000 amin' ireo no mipetraka any Israely. Isan' ireo finoana nolovana tamin' i Abrahama izy ka atao hoe "finoana abrahamika" sahala amin' ny kristianisma sy ny finoana silamo.

Kintan'i Davida

Milaza ny Jiosy fa ny fivavahany dia avy amin' i Abrahama (izay atao hoe rain' ny mino) sy amin' i Mosesy na Môizy (mpadahatra ny lalàn' i Israely). Ny Tanakh no Soratra Masin' ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra (Torah) nambaran' Andriamanitra tamin' i Mosesy amin' ny ankamaroany teo amin' ny Tendrombohitra Sinay (na Sinaia). Misy koa ny Lalàna am-bava atao hoe Misnà izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin' ny Talmoda, asasoratra nataon' ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin' ny taonjato faha-6 taor. J.K.

Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben' ny Hebreo no rain' ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany Egipta ny Hebreo ka niharan' ny fanandevozana tao. Nampian' Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany Kanaana. Rehefa tonga teo amin' ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin' izay ka hatramin' ny fandravan' ny Rômana azy ireo tamin' ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny Tempolin' i Jerosalema izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoam-pivavahana ao amin' ny sinagôga izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search