Mesia

Fanosorana an' i Davida - sary nataon' i Paul Véronèse, 1555

Ny Mesia dia irak' Andriamanitra voatendry sy voahosony hamonjy ny olombelona. Ny fivavahana jiosy sy kristiana ary silamo no tena ahitana ny finoana ny amin' ny Mesia, nefa ny fivavahana hafa koa dia mety hanana izay mitovy amin' ny atao hoe "Mesia". Amin' ny Kristiana dia efa tonga teto an-tany ny Mesia, dia i Jesoa Kristy, sady mbola hiverina eto; fa amin' ny ankapobeny dia mbola miandry ny fahatongavan' ny Mesia ny Jiosy. Manao an' i Jesoa (Îsâ) ho Mesia ny fivavahana silamo. Amin' ny Kristiana dia efa tonga ny Mesia fa ho an' ny Jiosy kosa dia mbola ho avy izy.

Ny teny hoe mesia dia manambatra ny anjara asa maha mpanjaka amin' ny anjara asa maha mpisorona. Mahita zavatra fahatelo hamaritany ny atao hoe Mesia ny Kristiana, dia ny amin' ny fiaretana fijaliana sahala amin' ilay "Mpanompon' i Iahveh" ao amin' ny Bokin' i Isaia (Isa. 42.1-9; 49.1-7; 50.4-11; 52.13 – 53.12). Ao amin' ny teôlôjia kristiana, i Jesoa no heverina ho ilay hany olona mahafeno ireo fepetra ireo.

Ampiasaina ivelan' ny tontolon' ny teôlôjia koa ny teny hoe mesia mba hanondroana izay olona mihevi-tena na heverina fa mpanafaka ny firenena na ny vahoaka iray, na izay olona andrasana ho mpamonjy ny olombelona ao amin' ny fivavahana hafa.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search