Milenarisma

Ny milenarisma na kiliasma na milenialisma dia fampianarana na fanantenana ny fahatongavan' ny arivo taona izay mitondra fiadanana sy manafoana ny ratsy rehetra eto an-tany.

Ny eo amin' ny tontolon' ny fivavahana no tena misy an' izany nefa ahitana azy koa na ny ivelan' ny fivavahana. Matetika ny milenarisma dia miara-dalana amin' ny atao hoe mesianisma (finoana ny fahatongavan' ny olona iray hanatanteraka ny famonjena) ka amin' ny ankapobeny dia any amin' ny atao hoe andro farany no itrangan' ilay fiovana antenaina. Araka io finoana io dia hisy Andro Volamena na hisy paradisa haorina eto an-tany alohan' ny fitsarana farany sy ny toetra mandrakizain' ny "tontolo hoavy" izay ho avy.

Manamarina ny finoany amin' ny soratra ao amin' ny Tanakh na ny Baiboly na ny Kor'any na ny boky masina hafa ny milenarista arakaraka ny fivavahana misy azy. Ny kristianisma sy ny jodaisma dia samy namokatra hetsika mesianika izay nampiseho fampianarana milenarista (momba ny arivo taona) — toy ny fiheverana fa efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra eto an-tany. Matetika niteraka korontana ara-piarahamonina be dia be ireny hetsika milenarista ireny. Ireo milenarista kristiana dia mampiasa indrindraindrindra ny bokin' ny mpaminany sy ny bokin' ny Apôkalipsy. Efa hatramin' ny andro tany aloha ka hatramin' izao no ahitana antokom-pivavahana milenarista; amin' ny ankapobeny dia voasokajy ao amin' ireo atao hoe heretika (tamin' ny Andro Taloha) na sekta (amin' izao fotoana izao) izy ireo.

Misy fitoviana amin' ny milenialisma ihany koa ny ao amin' ny zôrôastrisma, izay namaritra vanim-potoana arivo taona nifandimby, izay samy hiafara amin' ny loza ateraky ny fampianaran-diso sy fandravana, mandra-pahatongan' ny fandringanana farany ny ratsy sy ny fandringanana farany ny fanahin' ny ratsy hataon' ny mpanjakan' ny fiadanana izay handresy amin' ny faran' ny arivo taona farany. "Ary ny Saoshyant dia hanadio ny zavaboary indray, ary ny fitsanganana amin' ny maty sy ny fisiana hoavy" (Zand-i Vohuman Yasht 3:62).

Nampifandraisin' ny manam-pahaizana ihany koa ny hetsika ara-piarahamonina sy ara-pôlitika samihafa, na ara-pivavahana na tsy ara-pivavahana, amin' ny fanoharana milenarista.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search