Panenteisma

Ny panenteisma dia fampianarana ara-pilôzôfia sy ara-pivavahana izay ilazana an' Andriamanitra ho sady maninteraka ny faritry ny natiora rehetra no sady mihoatra azy na ara-potoana na ara-toerana. Ny panenteisma dia mihevitra an' izao tontolo izao sy Andriamanitra ho zavatra mitovy raha eo amin' ny lafiny fisiana. Tsy mpamorona na demiorga Andriamanitra fa hery mandrakizay manetsika an' izao tontolo izao endrik' Andriamanitra hita maso. Ao anatin' Andriamanitra izao rehetra izao ary Andriamanitra dia miely eran' ny faritra tsirairay amin' izao rehetra izao[1]. Lehibe noho izao tontolo izao Andriamanitra ary izao tonto izao dia ao anatiny[1]. Andriamanitra dia sady hery manetsika an' izao tontolo izao no vokatr' izany koa[1].

  1. 1,0 1,1 et 1,2 Peter C. Rogers, Ultimate Truth, Book 1, AutorHouse, 2009 (ISBN 1438979681) Vakio eto [tahiry])

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search