Panteisma

Ny panteisma dia fampianarana ara-pilôzôfia sy ara-pivavahana izay milaza fa ny fitambaran' ny zava-drehetra no atao hoe Andriamanitra. Tsy mifangaro amin' ny mônôteisma ny panteisma. Ny mônôteisma dia finoana ny fisian' Andriamanitra tokana mpamorona izao tontolo kanefa tsy mifangaro amin' izao tontolo izao fa sady ivelany sy amboniny (mihoa-draha) ary persôna manana sitrapo azy manokana. Ny panteisma dia tsy afangaro amin' ny panenteisma izay ataon' i Hegel hoe "ao amin' Andriamanitra ny zava-drehetra"[1] ka omeny anarana hoe akôsmika. Avy amin' ny fampianarana ny pateisma ihany ny panenteisma.

Izany fampianarana ny amin' ny panteisma izany dia efa niseho nanomboka tamin' ny andron' ny neôplatônisma (nanomboka tamin' ny taonjato faha-3 taor. J.K.). Amin' ny filôzôfa neôplatônisiana dia fisehoan' Andriamanitra ny fomban' ny olombelona sy ny zava-misy iainany (panteisma akôsmika).

Ny hafa koa, indrindra ny filôzôfa hindoa, dia mampianatra fa ny fitambaran' ny zavatra rehetra, na dia miovaova sy manam-petra aza, dia Andriamanitra (panteisma kôsmika).

  1. G.W.F.Hegel, Vorlesungen über das System der Philosophie, 1828, p. 254-260.

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search