Paska jiosy

Mihinana ny paska ny Israelita, nataon' i Gérard Hoet sy ny namany, taona 1728.

Ny Paska jiosy na Paka jody izay atao hoe Pesa'h amin' ny teny hebreo dia fety lehibe amin' ny Jiosy izay ankalazana sy ahatsiarovana ny fialan' ny Zanak' i Isiraely avy tao Ejipta sy ny niampitan' izy ireo ny Ranomasina Mena teo ambany fitarihan' i Mosesy (na Môizy); izany dia voatantara ao amin'ny Bokin' ny Eksôdôsy ao amin' ny Baiboly. Ankalazaina isan-taona anatin' ny fito na valo andro manomboka amin' ny faha-14n' ny volana Nisana amin' ny filentehan' ny masoandro ny Paska jiosy na Pesa'h. Tsy afangaro ny Pesa'h sy ny Paska kristiana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search