Saikanosin' i Arabia

Sarin'i Arabia azo avy amin'ny zanabolana

I Arabia na ny Saikanosin' i Arabia dia saikanosy lehibe ao atsimo-andrefan' i Azia, eo amin' ny fitohizan' i Azia sy Afrika. Ampahan' i Atsinanana Akaiky io saikanosy io sady mitana anjara toerana amin' ny lafiny toekarena noho ny fananany tahirin-tsolitany sy etona voajanahary. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe شبه الجزيرة العربية / shibh al-jazīra al-ʿarabīyah ("saikanosy arabo") na جزيرة العرب / jazīratu Al-ʿArab "nosin'ny Arabo".

Ireto avy ireo firenena fito ao amin' io saikanosy io: i Arabia Saodita, i Iemena, i Omàna, i Katara, ny Emirata Arabo Mitambatra i Koeity, ary i Bareina.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search