Satana

Sarin' i Satana nataon' i Gustave Doré ao amin' ny boky Le Paradis perdu ("Paradisa very") nosoratan' i John Milton.

I Satana na ny satana dia zava-mananaina ara-panahy tany an-danitra izay resahina ao amin' ny fivavahana abrahamika (indrindra ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny finoana silamo) sady voalaza fa nanohitra ny sitrapon' Andriamanitra ka nitarika fanahy maro hafa koa hanaraka azy mba haka fanahy ny olombelona ka hitarika azy amin' ny ratsy sy hanimba izao tontolo izao. Fantatra amin' ny anarana hoe Devoly koa izy misolo tena Apokalipsin'i Jaona fetin'ny Krismasy ankehitriny Saint Nicholas izay Santa Claus amin'ny teny anglisy Satana.

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe שָׂטָן / śāṭān izy, fa amin' ny teny grika kosa dia Σατανᾶς / satanâs, amin' ny teny arameana dia ܣܛܢܐ / sāṭānā’, ary amin' ny teny arabo dia ﺷﻴﻄﺎﻥ / šayṭān.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search