Silamo

Mpino silamo mivavaka ao amin' ny môskea

Ny silamo na finoana silamo na fivavahana silamo (amin' ny teny arabo: الإسلام / AlʾIslām) dia fivavahana abrahamika mifototra amin' ny finoana an' Andriamanitra tokana (Allah) sy amin' ny Kor'any izay heverin' ny Mozilmana fa boky nandraiketana ny tenin' Andriamanitra ara-bakiteny natao sora-tononina. Nambara tamin' i Mohamady, izay ataon' ny Mozilmana ho mpaminanin' Andriamanitra, tany Arabia tamin' ny taonjato fahafito, ny Kor'any. Ny tawhid, izany hoe ny finoana an' Andriamanitra tokana, izay tsy ahitana fanompoana hafa afa-tsy ny fanompoana an' Andriamanitra, no fampianarana fototry ny finoana silamo.

Tamin' ny taona 2015 dia tombanana ho 1,8 lavitrisa ny isan' ny Mozilmana eran-tany, izany hoe 24 % amin' ny mponina maneran-tany, ka ny finoana silamo no fivavahana faharoa lehibe indrindra eran-tany aorian' ny kristianisma sy eo alohan' ny hindoisma. Mizara ho sampana samy hafa ny finoana silamo, ka ny lehibe indrindra dia ny sonisma, izay mitana ny 90 % amin' ny Mozilmana, sy ny siisma ary ny karijisma.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search