Soratra Masina

Ny Testamenta Vaovao

Ny soratra masina dia ny teny voasoratra sy notenenin' ny olo-masin' Andriamanitra notsilovin' ny Fanahy Masina. Atao hoe Soratra Masina koa ny lahatsoratra masina jiosy. Ny Baiboly dia angon-tsoratra masina iombonan' ny Fiangonana kristiana. Ny teny hoe Baiboly koa dia ampiasaina hanondroana ny Baiboly hebreo, izay mizara telo lehibe, voafintina amin' ny teny hoe TaNaKh, litera voalohany amin' ny lohateny hebreon' ireo fizaràna ireo, dia ny Torah ("Lalàna", mitovy amin' ny Pentateoka amin' ny Testamenta Taloha) sy ny Neviim ("Mpaminany") ary ny Ketuvim ("Soratra"). Amin' ny fivavahana jiosy sy ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao dia ny Tanakh (Testamenta Taloha kristiana) no lazainy hoe "Soratra Masina" fa amin' ny fiangonana kristiana ankehitriny dia ny Baiboly manontolo (Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao) no Soratra Masina (Matio 22:29; Joany 5:39; 2Timôty 3:15; 2Petera 1:20–21). Azo aitatra ny hevitr' io andian-teny hoe Soratra Masina io ka mahafaoka ny boky masin' ny fivavahana tsirairay.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search