Tarika (fitsipiteny)

Ny tarika dia teny na andian-teny ao amin' ny fehezanteny izay ahitana teny fototra atao hoe "loha-tarika" sy teny na andian-teny miankina aminy mivantana na amin' ny alalan' ny mpampiankina (mpampiankin-teny na mpampiankina fehezankevitra). Ny tarika dia azo omena anarana araka ny sokajin-teny misy ilay loha-tarika ka misy noho izany ny tarika anarana, ny tarika matoanteny, ny tarika faritoetra, ny tarika mpampiankin-teny, sns raha anarana, matoanteny, mpamaritra, na mpampiankin-teny, sns ilay loha-tarika.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search