Testamenta Vaovao

Pejy ao amin' ny Testamenta Vaovao

Ny Testamenta Vaovao dia fizaràna faharoa amin' ny Baiboly kristiana izay voasoratra taorian' ny nahaterahan' i Jesoa Kristy. Izy no mirakitra ny tantaram-piainana sy ny fampianarana nataon' i Jesoa, araka ny finoan' ny Kristiana, sy ny tantaran' ny fiforonan' ny fiangonana kristiana voalohany. Ny Testamenta Vaovao dia tsy anisan' ny Baiboly hebreo. Voasoratra tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. ny Testamenta Vaovao, izay fitambarana boky 27 azo sokajina ho efatra: Filazantsara na Evanjely na Vaovao Mahafaly (4), Asan' ny Apôstôly (1), Epistily (21), ary Apôkalipsy (1).


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search