Torkia

Sainan' i Torkia
Sarin-tanin' i Torkia (amin' ny teny frantsay)
Toerana misy an' i Torkia (amin' ny teny tiorka)

I Torkia, na Repoblika Tiorka, dia firenena iray eo amin' ny tapany andrefana (ao Atsinanana Akaiky) amin' i Azia Andrefana. I Ankara no renivohiny. Manana velarana mirefy 783 356 km2 izy ary misy mponina miisa 84 681 000 tamin' ny taona 2022. Misy ampahany amin’ ny tanin’ ity firenena ity ao amin’ ny ilany atsinanana amin’ i Eorôpa: voazaran’ ny Andilan-dranomasin' i Bosphore ho roa (adrefana sy atsinanana), ohatra, i Istanbul tanàna lehibe indrindra any. Mizara sisin-tany amin' i Grisia, amin' i Bolgaria, amin' i Jeôrjia, amin' i Armenia, amin' i Azerbaijàna, amin' i Iràna, amin' i Iràka ary amin' i Siria izy. Ny ranomasina manodidina azy dia ny Ranomasina Mainty, ny Ranomasin' i Marmara, ny Ranomasina Egea ary ny Ranomasina Mediteranea.

Ny vohon-tanin’ i Torkia dia anjakan’ ireo Tendrombohitra Ararata, izay ao amin’ ny tapany atsinanana, ka manana haambo 5 165 m ny tampona avo indrindra amin' izany.

Avy any Azia Afovoany ny mponina any Torkia. Ahitana vondrom-poko bediabe ny ao amin’ io firenena io, ka isan’ izany ny Arabo, ny Armeniana, ny Grika, ny Jiosy ary ny Kiorda. Ny silamo no fivavahan’ ny maro any Torkia (98 %). Ny fiteny tiorka no fiteny ôfisialin' i Torkia. Atao hoe Türkiye sy Türkiye Cumhuriy izy amin' ny fiteny tiorka.

Seha-pamokarana lehibe indrindra any Torkia ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, indrindra ny fambolena varimbazaha.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search