Vavolombelon' i Jehovah

Ny Vavolombelon' i Jehovah dia fikambanana kristiana mino ny fitondran' ny Mesia mandritra ny arivo taona (milenarisma) sy mihevi-tena ho mamerina amin' ny endriny tany amboalohany ny fivavahana kristiana (restaorasiônisma). Io fikambanana io dia nipoitra avy amin' ny fikambanana atao hoe "Bible Students" (azo adika hoe "Mpianatra Baiboly" notarihin' i Charles Taze Russell izay nandray ampahany betsaka tamin' ny fampianaran' i William Miller, indrindra tamin' ny adventisma, tamin' ny alalan' ireo mpitoriteny adventista toa an' i Jonas Wendell[1]. Mampiavaka azy ireo ny mitory teny sy mampianatra ny Baiboly isam-baravarana.

  1. Bernard Blandre, Brepols, coll. « Fils d'Abraham », 1991, 198 p. (ISBN 9782503500638), p. 13-14

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search